ANGAMBA (Ramaroson Wilson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Angamba hifaliako ny volana mitranga
An-kabakaba-manga,
Kanefa mbola tiako ny masonao mijery,
Mibanjina ahy irery,
Milaza ny fitia, manganohano ery,
Milaza ny fitia, manganohano ery,
Manganohano ery,
Angamba hafa kely ny kocuypuz tsiron-drano an’ala,
Madio mangalahala,
Fa mamy toa tantely ‘reo molotrao manify,
Mitsiky mena fify,
Manoroko ahy mangina,
Mandroatra fifaliana,
Manoroko ahy mangina,
Mandroatra fifaliana,
Angamba koa ho fatratra
Ny kalon’ny antsiva manako takariva,
Fa mbola tonga lafatra
Ny tononkira.serasera.org hiranao ngononina miantsa fisamonina,
Ny hiranao ngononina miantsa fisamonina,
Miantsa fisamonina,
Mitohoka ny sofiko ka zary nofinofiko,
Ka zary cdmkv nofinofiko.
Izao tontolo izao, mirindra sy voalanto,
Fatratra sy kanto,
Anefa raha ianao, nefa fcfo raha ianao
Monja no tsy ao,
Izao tontolo izao ho tsoriko ry aina
Fa tany karankaina,
Izao tontolo izao ho tsoriko ry aina
Fa tany karankaina.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ramaroson Wilson
Vangy : 5505
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ni81
Daty : 29/03/2009 13:40
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.013