MPIASA TANY MODY (Ramaroson Wilson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MPIASA TANY MODY

Ny masoandro iva
Injany ny antsiva
Kaloin' ny fody
Mikopaka hody
Manako any ho any
Famindra malaky
Ny alina tamy

$$
Tsy ho ela intsony
Dia sioka malako
No heno manako
Miritsoka koa
Maika aok' izany
Ireo mpiasa tany
Hamonjy ny akany


Maika hikorana
Ao an-tanàna
Ka haingam-pamindra
Sy mihindrohindro
Ny angandy amin' izany
An-tsoroka ihany
E! Maika ho tody
Fa mamy ny mody

Tonony : Jean de Dieu Rakotondrabe
Feony : Ramaroson Wilson
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ramaroson Wilson
Vangy : 963
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : MRaF
Daty : 10/06/2020 19:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1062