TSY HO IRERY (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza manahy na matahotra,
Fa na ho sarotra,
Tsy ho irery akory ianao,
F'izaho anilanao.

Efa nanome toky tononkira.serasera.org aho,
Fa tsy hanary anao,
Na misy frqg ny mifamahofaho,
Izaho tsy mba mandao.

Na ny ahiahinao,
Na ny tahotra,
Tantarao dia andao
Hirain'izao
Fa hisinda mora teo.

Marina fa tsy lafatra
Ny fiainana,
Nefa raha fashy isika miaraka
Ts'isy tarainana.

Tamin'ny vao niantomboka
Ny izaho sy ianao,
Dia tena samy roboka,
Tena fitia vao.

'Reo fitsapana marobe
Izay nodiavina,
No maika nanamafy re!
'Lay fitiavana.

Ka ny ahiahinao sy ny tahotrao,
Tantarao dia andao hirain'izao
Fa hisinda mora teo.

Aza manahy na matahotra,
Fa na ho sarotra,
Tsy ho irery slzhaas mihitsy ianao,
F'izaho tsy handao anao.

Ka ny ahiahinao sy ny tahotrao,
Tantarao dia andao hirain'izao
Fa hisinda mora teo.

Aza manahy na matahotra,
Fa na ho sarotra,
Tsy ho irery mihitsy ianao,
F'izaho tsy handao anao.

Tsy ho irery ianao!!

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 1002
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : litarazavar
Daty : 18/06/2024 08:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3382