Miova loko (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy loko maro
Toy ny lokon-danitra
izay milaza fa akaikiko foana ianao
loko manga io lokon’ny hatsarana
manambara fa feno fitiavana ny fianana
mahita maitso nomena toky teo
fitia balika nahatsapa fa hoe tianao

Maromaro e ny loko hitako
mandalo eo imasoko
maromaro anie satria miakina
aminao fiovany e e e
sy ny dikany any koa

Mihamena izy eo
toa afo mirehitra
izay milaza fa nahasorena
indray ianao
io mena io
lokon’ny hafanana
midika izy io
mangotrangotraka ny fo ao
Toa mihalavo
namitaka ahy anao
mihamaty izany
Raha toa ka tsy ao ianao

maromaro...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Poopy
Visites : 5198
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : pela
Date : 03/08/2008 22:18
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0798