Izy roa ihany (Poopy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hay moaNa ny topimaso aza
Misy lanjany
Raha tena tia
Hay moa
Ts’isy feo nefa
Miteny ireny rehetra ireny
Raha mifankatia
Tsy misy mahalala, afa-tsy
Izy roa ihany izay ambarany
Ny hita sy ny tsapa
Manenika ny fony ilay fitia
Hay moa
Afaka manova ny aizina
Hanazava indray
Ny tsiky iray
Hay moa
Mahasitrana izay ratra
Ao am-po indraindray
Ny tsiky iray
Tsy misy mahalala
Afa-tsy izy roa ihany, zay
Ambarany
Ny hita sy ny tsapa
Manenika ny fony ilay fitia
Hafa raha samy hafa
Ts’isy teny na tafa
Fa toa lanitra hafa
No ialofan’izy ireo
Zany no tena sambatra
Mifanojo fitiavana
Ka miandrandra ny lanitra
Mba hitoetra sy haharitra, ilay fitia
Hay moa
Mety koa na tsy miteny aza
Milaza tia, rehefa tia
Hay moa
Fa ny doboky ny fony
No efa ren\\’ny ary ankilany
Ts’nisy mahare afa-tsy izy roa ihany
’Zay ambarany
Ny hita sy ny tsapa
Manenika ny fony ilay fitia.
Auteur, Compositeur:
Poopy / Naivo
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : PoopyVisites : 4714
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Thierry Jess B.
Date : 09/12/2004 08:53