Diso lalana (Poopy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
DISO LALANA Diso lalana aho hatramin’izay
Nanalavitra anao
Fa toa variana, varian’ny lavitra ny masoko
Ka diso fijery anao
Izaho nihevitra fa hatrizay
Izay fananana no voninahitra rehareha
Mampidanadana izay rehetra aleha
Ankehitriny zay vao tsapako
Fa diso lalana aho
Hay saro-bidy amiko
Noho ny rehetra ianao
Izay rehetra nananako
Tsy nahataitra anao
Satria ny fanahiko
Efa tsy sitrakao
Diso hevitra aho nanantena
Fa ianao hanatona ahy
Tsy ny fanahiko eny tsy ny tenako
No natolotro ho porofom-pitiavana anao
Izaho nanantena hanome
Izay rehetra nety hahasambatra anao
Saingy’lay tadiavinao tsy ananako
Izao toa irery aho
Toa zary latsa ho ahy
Ny fananako
Inay anie aho
Nisaina toa anao
Tsy irery toa izao f’ anilanao (Poopy 1993)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : PoopyVisites : 6862
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ialy
Date : 24/03/2004 14:55