AMPY HO AHY (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy miova aho,
Mbola tia anao,
Tokana ihany ny ao anatin’ny foko
Hatramin’izay nahalalako anao,
Dia efa lasanao aho.

Tsy niova aho,
Mbola tena tia,
Manaiky anao
Ho doria doria,
Ka izay fankampanahy
Tsy hampihontsona ahy
Satria ….

Ampy ho ahy ianao
Tena feno aho misy anao,
Tsi’sy miafina aminao
Ny momba ahy,
Ny aminao koa dia fantatro.

Ampy ho ahy ianao,
Tena feno aho misy anao,
Ampy ahy izay foinao omena ahy
Satria vokatry ny fitia.

Mihamatotra ny fiarahantsika,
Mifamatotra ny fitiavantsika,
Mifampitsinjo, mifanaja koa
Satria, izany no tena fitia.

Tsy mifankafoy, mifanohana hatrany,
Mifampahery raha sendra tomany,
Izay hampiadana ny fanahy sy ny fo
Dia ho tanterahintsika.

Ampy ho ahy ianao,
Feno aho misy anao,
Ampy ho ahy ianao,
Tsy atakaloko ianao.

Ampy ho ahy ianao,
Feno aho misy anao,
Ampy ho ahy ianao,
Tsy atakaloko ianao.

Ampy ho ahy ianao,
Feno aho misy anao,
Ampy ho ahy ianao,
Tsy atakaloko ianao.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Poopy
Visites : 281
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : litarazavar
Date : 18/06/2024 09:18
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739