Andao antsika handeha hivavaka (Ny Talöha)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andao antsika andeha hivavaka e, fa ho avy ny Tompo amin'ny andro faranyAza variagna amin'ny rendrarendra zalahy, fa ho avy ny Tompo hitsara antsikany
Ny adiaso malôhantsikany io, Jesôsy Tompo tsy tia an'io
Ny fitiavan-tegnantsikan'io, halan'ny Tompo raha karaha an'io
Nahatônga antsika tsy lavorary, antsika nagnano raha tsy nanjary
Vignitra amintsika Zagnahary, mety ho rava zalahy ny tany
Andao isika andeha hibebaka e, fa ho faly ny Tompo hitsena antsikany
Ataovy ambabiana ny Baiboly sy fihirana, fa io pasipaoro mahatônga an-danitra
Agny an-danitra tsy misy risoriso, anô koa diso de tegna diso
Agny an-danitra tsy misy kolikoly, zegny mahatônga ny devoly
Agny an-danitra tegna mahatsaratsara holovain'ny taranaka tegna tsara
Agny an-danitra tegna mahajerijery, fa antsika mila mahari-pery
Andao isika andeha hidera zalahy, hidera ny Tompo amin'ny asa vitany
Andao isika hankalaza zalahy, hankalaza ny Tompo amin'ny indrafony
Voninahitra anie ho Anao ry Ray, Fiadanana kosa ho an'ny Zanany
Dera sy laza no mendrika Azy, ho antsika Olombelona ety an-tany
Izahay mankasitraka Zagnahary, nanome talenta lavorary
Tendreo ny kabôsy sy ny valiha, ny Anjely any an-danitra mifalia
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Ny TalöhaVisites : 1371
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : sfssolo
Date : 20/09/2016 06:24