Any Ianao ry Jehovah Ray (Ny Talöha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Any Ianao Jehovah Ray, mitaraina Aminao mba vonjeo ny taninay
Ny mpanao politika manao ny ataony, ka ny vahoakanao no fadiranovana
Resaka maizina ambadika any, lasa ampidirina am-piangonana
Hianao 'lay Ray be fitia, hiraho mba hidina ety Mesia
Hanafoana ny tsy marina. O! o! o!
Indreto izahay ry Tompo o!
Tariho amin'ny lalana tena marina.
(Indreto 'zahay ry Ray)

Ny zavatra misy amin'izao fotoana, ny olona lasa manaonao foana
Mitady vola any am-piangonana
Tantara marina no lazaina, ka misaora ny Tompo raha velona aina
Fa izy no lalana, fahamarinana
Matoa isika mbola miaina ety dia noho ny famindrapon'i Kristy
Izy no tena fiainana
Mandalo isika ny eto an-tany fa ny tena izy any an-danitra any
Andao isika hanao ny marina
Arovy izahay ry Tompo o!
Arovy izahay tsy ho azon'ny fakam-panahy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Talöha
Vangy : 1880
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : sfssolo
Daty : 20/09/2016 08:20
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9097