Andao antsika handeha hivavaka (Ny Talöha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andao antsika andeha hivavaka e, fa ho avy ny Tompo amin'ny andro farany
Aza variagna amin'ny rendrarendra zalahy, fa ho avy ny Tompo hitsara antsikany
Ny adiaso malôhantsikany io, Jesôsy Tompo tsy tia an'io
Ny fitiavan-tegnantsikan'io, halan'ny Tompo raha karaha an'io
Nahatônga antsika tsy lavorary, antsika nagnano raha tsy nanjary
Vignitra amintsika Zagnahary, mety ho rava zalahy ny tany

Andao isika andeha hibebaka e, fa ho faly ny Tompo hitsena antsikany
Ataovy ambabiana ny Baiboly sy fihirana, fa io pasipaoro mahatônga an-danitra
Agny an-danitra tsy misy risoriso, anô koa diso de tegna diso
Agny an-danitra tsy misy kolikoly, zegny mahatônga ny devoly
Agny an-danitra tegna mahatsaratsara holovain'ny taranaka tegna tsara
Agny an-danitra tegna mahajerijery, fa antsika mila mahari-pery

Andao isika andeha hidera zalahy, hidera ny Tompo amin'ny asa vitany
Andao isika hankalaza zalahy, hankalaza ny Tompo amin'ny indrafony
Voninahitra anie ho Anao ry Ray, Fiadanana kosa ho an'ny Zanany
Dera sy laza no mendrika Azy, ho antsika Olombelona ety an-tany
Izahay mankasitraka Zagnahary, nanome talenta lavorary
Tendreo ny kabôsy sy ny valiha, ny Anjely any an-danitra mifalia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Talöha
Vangy : 1253
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : sfssolo
Daty : 20/09/2016 06:24
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012