Manirery (Ny Railovy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tao anaty fahanginana
No nihirako ho anao
Ireo hirahira sy ny kalokalo
Tsara indrindra.
Tao anaty fahanginana
no nahatsapako
Ny afon’ny fitiavako
Tia anao
Mirehitra, tsy mety maty
Ao am-poho anao

Toy ny sambokely
An-dranomasina mangeniheny
Tsy matahotra onja,
na manahy
Sao dia ho very eny
Manantena ihany
Ny ho tody hatrany
Hahita seranana
Toy izany no vetsovetsom-poko
Singany ety, ho anao.

Na dia manirery aza aho
Ry sombinaiko
Tsy miova akory ny fitia
Zay nolalaiko
Na ho aingana, na ho ela izany
Eny tia anao, eny tia ka

Raha toa manembona ianao
Ka mahatsiarotsiaro
Ireo dinantsika, ireo fitia
Ireo tsiambaratelo maro
Dia izany no
vao maika hamelona hatrany
ny afon’ny fitiavako
tia anao
Mirehitra tsy mety maty
Ao am-po ho anao, ho anao



Tonony /Feony : Jérôme RANDRIA - 1976
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Railovy
Visites : 5139
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Naly Randria
Date : 02/02/2004 19:21
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732