AKOM-PAHATSIAROVANA (Ny Railovy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manonja toy ny onja
Izany fahatsiarovana izany
Tonga dia miritona
Miverimberina eo ihany

Fa tononkira.serasera.org ranomasina iny ê mangeniheny
Ny saiko lasan’ iny, sadaikatra hiteny
Nahita itony pejy sy ny anaranao
Voasoratra ao sy ao tlbz am-poko ao
Nandoro nahamay ny masoandrontsika
Nifanjohy, niray, ny dian-tongontsika
Ny sisa izay tavela mieloelo ao
Akon’ny hira ela, hatrao anatiko ao

Tsiaro mifangaro, zava-maromaro
tonga ao an-tsaiko ao

Eny mba hatraiza
Izany fahatsiarovana izany
Mangaina ny tontolo
Mipitrapitra manontany

Fa tany karakaina ny manoloana eto
Voary savolaina toronvandrovan-tsento
Ny hhypm manodidina ahy, voajeriko avokoa
Mitady ireo fanahy niainana taloha
Hitako ao ihany ilay hazo mamintsika
Voasoratra byyjnz amin’ izany ireo anarantsika
Miverina mangina ao an-tsaiko ao
Ny tafa nifaliana avy eo imolotrao

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117