Mitsangana Mandehana (Ny Antsafia)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy olona maro tsy mba tazanao masoMila anao hampahery hampatanjaka
Fa tojo ireo ady ireo olana ankaso
Mila anao hampitraka sy hivavaka
Misy koa izay mianjady lalan-tsarotra be
Miroa saina mitady ho solafaka
Misy hery mangeja mampitahotra re
Mila anao hampitraka sy hivavaka
Fa nantsoina ianao mba hiasa sy hitory
Nefa ianao toa variana tsy mamaly akory
Toa sondriana mipetraka tsy mba mijoro
Mamono talenta tsy vonon-kanoro
Mitsangàna mandehàna fa aza malaina
Fa ianao no andrasana sy antenaina
Ny hazavana entinao no hitondra maraina
Ny talenta aza alevina fa ampiasaina
Misy koa malahelo sy mamoy fo
Mitomany misento mitanondrika
Very hevitra fa tsy mahita ny soa
Mila anao hampahery hampatanjaka
Misy koa diso paika sy diso fiantefa
Nanantena kanefa dia voafitaka
Ilay nandrandraina no indro nilefa
Mila anao hampitraka sy hivavaka
Fa nantsoina ianao mba hiasa sy hitory
Nefa ianao toa variana tsy mamaly akory
Toa sondriana mipetraka tsy mba mijoro
Mamono talenta tsy vonon-kanoro
Mitsangàna mandehàna fa aza malaina
Fa ianao no andrasana sy antenaina
Ny hazavana entinao no hitondra maraina
Ny talenta aza alevina fa ampiasaina
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Ny AntsafiaVisites : 121
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Sanda825
Date : 29/08/2025 17:18
