Tsy Tamàna (Ny Ambasadôrà)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Handeha aho fa tsy tamana
hiala amin'ity tany ity e
feno aizina tsisy hazavana
feno ota anjakan'i Satana e
Fa fandalovana ny eto
ny tany tsy hilaozan-tsento
tsy mba misy izay antenaina
Handeha aho fa tsy hisento?

Indro iry, jerosalema tanana masina re
tsy misy ny mahory ao e
'Ndao isika honina ao e
fa volamena sy vatosoa
no lalana miditra ao
ka iza re no tsy mba ho ao

Tsy tamàna, tsy tamàna e...
Tsy tamàna

Ny olona tia tena,
tia vola sy tia harena
miharatsy hatrany ny fony
Handeha aho tsy hijanona intsony
Ny tany mihasimba hatrany
ny olona torak'izany
ny hany sisa lazaiko
Handeha aho, izay no ilaiko

Indro iry, jerosalema tanana masina re
tsy misy ny mahory ao e
'Ndao isika honina ao e
fa volamena sy vatosoa
no lalana miditra ao
ka iza re no tsy mba ho ao
Indro iry (Indro iry)
Jerosalema (Jerosalema)
Tanana masina re
Tsy misy ny (Tsy misy ny)
mahory ao e (mahory ao)
'ndao isika honina ao
Fa volamena (volamena)
sy vatosoa (vatosoa)
no lalana miditra ao
ka iza re no tsy mba ho ao
Tsy mba ho ao
Ho ao
Tsy tamàna, tsy tamàna e...
Tsy tamàna...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ambasadôrà
Vangy : 357
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : onyrak
Daty : 02/02/2023 11:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1286