Ity tanako (Nono)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ity tanako manoratra ho anao
Efa reraky ny ela
Efa trotraky ny taona
Tsy hahasoratra intsony
Izay rehetra nokoboniko
Tato anatiko mavesatry ny alahelo
Angamba efa tsapanao
Fa ho rakotra alahelo
Ity fiainako mahantra
Toa mihamaloka indray
Sy voarakom-belovelo
Raha toa tsy handre intsony
Irony angolanao

Io fitiavana io ihany
No nahatonga izany
Fantatrao fa mbola tia aho
Fantatrao fa mbola babo aho
Fantatrao fa mbola nisy
Olona iray tsy ho nanadino anao
Fantatrao fa nisy izany
Nefa tsy nosaininao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Nono
Visites : 15246
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 03/10/2002 16:45
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2166