HATERAKA INDRAY (NISEA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
-Tsy hahafehy tomany aho
Satria efa lovako hatrizay
Mpanota eny aho, tsisy azo atao
-Na menatra aza aho
Tsy afaka hanakona ny loha
Fa tazanao ihany hatramin'ny fo
Br:
Nefa tsy eto aho no hasiaka aminao
Fa tsy mahita ny hatao
Ref:
Fa, henatro avokoa izay lasa izay
Na fantatro aza ny antony
Efa ao anatiko ao
Raha misy azonao atolotra ahy
Ekeko ra manadio ahy ny "hateraka indray"

-Handresy eny ihany aho
Na tsy takatro aza ny herin'ny
Fanapinao, fa hiezaka aho
-Arehitro aza
ny afo matiko efa ela izay
Ka tsy izaho no ho may, fa ny ota indray

Br:
ref:

Hamiratra aho (hamiratra aho)
Anilanao eny aho, mialoka (aminao eny aho, mialoka)
Avelao hianjera aho sy hiarina
Handraisako lesona
Hifoha aho, handray ny foko vaovao
Satria nateraka indray

Ref:
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : NISEA
Visites : 1356
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : sainakims
Date : 26/02/2016 11:09
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134