Fatomaty (NISEA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny gadra tamiko, voafatotry ny fonja
Tsy afa-mamaly, tsy afa-manontany
Fa hay ny saina koa, ny vatana sy fo
Ra tsy mahery voagejany koa

Rehefa nandinika aho, hatrany ampiandohana
Tsy miala ihany ilay tady any afara
Anarana entiko ihany, tsy mahaleo tena izany
Ka raha ny ilaiko dia angamba ts androany
Raha mbola eo ireo hafa ireo fa

Ref

May ny taniko, tsisy miaro intsony
(very aho, resy aho)
Resim-bola moa, resin'ny fakam-panahy
(gadra aho, resin'ny fakam-panahy)
Efa samy voa, mbola miady koa
(Miady aho, miandry aho)
Maizina ny fo, iza ary moa no hitsara ahy
(angamba akaiky)

Ka raha hifoha, tsisy azoko atao
Raha ny saiko voafatotry ny heriny
Ka raisiko ny fandreseko
Tsy vahiny aho fa tompony efa haiko fa mandrakizay

Mandefitra aho satria, mahafantatra fitia
Tsy mba namefy, tsy nangeja anao
Fa tsapako any ho any, voazanakao ihany
Ka raha ny ilaiko dia angamba tsy androany
Raha mbola eo reo hafa ireo fa

Ref

May ny taniko, tsisy miaro intsony
(very aho, resy aho)
Resim-bola moa, resin'ny fakam-panahy
(gadra aho, resin'ny fakam-panahy)
Efa samy voa, mbola miady koa
(Miady aho, miandry aho)
Maizina ny fo, iza ary moa no hitsara ahy
(angamba akaiky)

Ka raha hifoha, tsisy azoko atao
Raha ny saiko voafatotry ny heriny
Ka raisiko ny fandreseko
Tsy vahiny aho fa tompony efa haiko fa mandrakizay

Br

Mahatoky aho sady matahotra
Fahafahana sandoka
Ny andrandraiko hanavotra tsy antenaiko hitarika
Manaiky ny fahavaloko aho
Satria vitsy ny tsisy ahiahy
Tanindrazako sary ny ahy
Fa ny marina mbola vahiny aho

Nefa

Ref

May ny taniko, tsisy miaro intsony
(very aho, resy aho)
Resim-bola moa, resin'ny fakam-panahy
(gadra aho, resin'ny fakam-panahy)
Efa samy voa, mbola miady koa
(Miady aho, miandry aho)
Maizina ny fo, iza ary moa no hitsara ahy
(angamba akaiky)

Ka raha hifoha, tsisy azoko atao
Raha ny saiko voafatotry ny heriny
Ka raisiko ny fandreseko
Tsy vahiny aho fa tompony efa haiko fa mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NISEA
Vangy : 1942
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : sainakims
Daty : 24/05/2016 15:38
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7143