MIFONA (Mamy Robinson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MIFONA

Ny hadalako no manalavirta ahy
Ny fahotako no hantsana mampisaraka
TSy hitambarako aminao tompoko
Ka mahantra loatra ny fanahiko
Ny teninao Tompo ô efa nampanantena ahy
F’izay manantona tsy mba holavinao
Anio atolotro ho eo an-tongotrao
Tompo ô ny foko ny tenako anjakao

Mandohalika eo am-pototry ny hazo nijalianao
Ry Tompo be Fitiavana
Mahatsiaro ilay rà sarobidy izay nalatsakao
Ity foko be fandavana
Rantsanonao ny ota nampisaraka aminao
Ny fifonanay mpanota no indro aterina aminao
Aza avela hanjeny irery : tsy misy soa raha tsy ao aminao
Tompo ô rainay mahery mifona aho mifona aminao

Mila anao aho Tompo ho mpitari-dàlana
Mila anao aho hanitsy izany làlana
Meteza ianao ho fanilon’ny tongotro
Fiainam-baovao Tompo ô no diaviko

Mandohalika eo . . . . . . …



_ Mamy ROBINSON_
(oct 2007)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mamy Robinson
Vangy : 675
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mattox
Daty : 31/10/2019 18:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1162