Tafaray samy tia (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izany olona, ny olon-droa ,mifanome teny
Fa na ho ratsy na ho soa , dia ho avy any ireny
Ireny maraina mibaliaka , ary koa ireny lanitra rakotra
Tsy ahoana ny hatsiaka , ny fo afaka mifandrakotra

(Izay, izay no tafaray ,no tafaray samy tia)x2

Raha toa ny ratsy mandroso tsy akin-jery
Dia hifoaka izay natsoiko tsy haiko lavo
Fa hanao an-kery hanarina ty fo torotoro  (Ôôôôôôh)

(Izay, izay no tafaray ,no tafaray samy tia)x2

Raha ny ambom-po tsy hahasoa dia tsy omeny fahefana
Fa iray saina iray fo ka ny mifanazava no anilanilana
Nisy olona miadaladala ,te handrodana ny fahasambarana
Isika roa tsy hisalasala handraok’ity fahavalon-kiondànana (Ôôôôôôh)

(Izay, izay no tafaray ,no tafaray samy tia)x2

©MAHALEO
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mahaleo
Visites : 11606
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : JERIJERY MORA FOANA
Date : 08/01/2002 01:02
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0942