Somambisamby (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Somambisamby re ry lahy e, 'tony ny andro diavolana
Ka ontsaontsa ny fanahy, fa maro ny olana
Manembona ny any aminay, tanàna tsy foina
Mahatsiaro ireo havanay, tsy hay hadinoina, mba jerijereo

Mba jerijereo ny tanànantsika
Aza avela hangina , aza avela hangatsiaka
Fa mbola ho tonga ilay androany
Hitondra ny soa, hitondra ny mamy
Hirongo tantely, hirongo vinany

Toa mateti-piavy kanefa ilay ora-panala
Ka lasa ny saina miantefa hamangy malala
Toa lavitra anefa ny any ka saro-banjinina
Ny sento no hampitaina any, veloma masìna ô

Veloma masìna, veloma ry tiana
Fafao ny alahelo fafao ny hakiviana
Fa mbola ho tonga ny indray androany
Hitondra ny soa, hitondra ny mamy
Hirongo tantely, hirongo vinany

Na dia maro aza ny zava-midona, aza atao mampifezaka
Aza kivy na very finoana, mandehana miezaka
Fa ao anatin’ ny ngidy ny mamy, ka saro-takarina
Misy ny ambony sy ambany, izay no marina fa ny ady tsy vita

Ny ady tsy vita fa mbola hitohy
Tsy mety tafita raha mamoy fo
Ka raiso ny ampinga, raiso ny hery
Handresy ireo kinga sy maneritery
Handrava fanànana, hamokatra fery

©MAHALEO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 40002
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : JERIJERY MORA FOANA
Daty : 08/01/2002 00:59
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3584