Meloka (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fantatro fa tsy azo atao
Meloka aho minia mitia anao
saingy tsy voatana ny fo
Hitia anao an-tsokosoko.

Ireo tanako am-po tsy hilaoka
Noferako tsy navelako hivaoka
Anefa toa hery tsy hay tohaina
Tiako hodradradradraina

Fa eo ianao anilako eo
Hitako sy reko feo
Toa akaiky nefa tsy takatro
Tsy ho ahy ianao fa fantatro

Fa ny anao ny fo efa mana-tandrify
efa eny an-tratrany eny ianao no mitampify
Ny ahy misy tady eny am-bohozonana
midiridiry tsy hay takonana

Ny taonantsika koa manelanelana
izaho efa halazo ianao vao voa hamelana
Ianao ary elatra enti-hisidina
izaho efa hitsingidina

Ny tanantsika dia hifanantona
Nefa tsy mihaona akory indreny miantona
Samy tia nefa tsy manantena
Ny lalantsika tsy hifanena...
--------
Rohy:
Hevitra
shafira ( 19/06/2019 12:42)
ahitsiko kely ilay eo amin'ny hoe "meloka aho minia mitia anao" mba henpy tsara ane e!mankasitraka ary mirarisoa antsika jiaby.
shafira ( 19/06/2019 12:45)
ahitsiko kely ilay eo amin'ny hoe "meloka aho minia mitia anao" mba henoy tsara moa fa misy hoe minia eo fa tsy ny e!mankasitraka ary mirarisoa antsika jiaby.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 22412
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Rabehasy
Daty : 05/01/2002 23:16
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136