Meloka

Lohateny Meloka
Nampiditra nanourand
Tamin'ny 19/05/2005 18:02
Vangy : 606
en G
intro : G B7 Em(E/D) C E7 Am D Adim Em* Am (et la chui un peu perdu, ... :p)
pour le Em* : 
||--|---|-2-|---|---|
||--|---|---|---|-4-|
||--|---|---|-3-|---|
||--|-1-|---|---|---|
||--|---|---|---|---|
||--|---|---|---|---|

G        B7           Em(E/D)    
Fantatro fa tsy azo atao
C        E7       Am
Meloka aho miniha mitia anao
F       E         Am  Am/G F#m7b5
Saingy tsy voatanan'ny foko
F      G       C 
Tia anao an-tsokosoko


G         B7           Em
Ho tanako am-po tsy hiloaka
C         E7           Am
Noferako tsy navelako hivoaka
F         E       Am Am/G F#m7b5
Nefa toa hery tsy hay tohaina
F         G       C
Tiako hodradradradraina


G               C
Fa eo ianao anilako eo
G               C
Hitako sy reko feo
C7             F    F/G# F#m7b5
Toa akaiky nefa tsy takatro
G                       C
Tsy ho ahy ianao fa fantatro



Fa ny anao ny fo efa manan-tandrify

Efa eny an-tratrany eny ianao no mitampify

Ny ahy misy tady eny am-bozonana

Midiridiry tsy hay takonana



Ny taonantsika koa manelanelana

Izaho efa halazo ianao vao vao hamelana

Ianao hary elatra mety hisidina

Izaho efa hitsingidina



Ny tanantsika te-hifanantona

Nefa tsy mihaona akory indreny mihantona

Izaho mitia nefa tsy manantena

Ny lalantsika tsy hifanena





DADAH

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086