Manakavaly (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho ilay boka iray miakatra an-tanàna
Ny fandraisana ahy tany toa tsy nisy hafanana
Fa valiana miaro tahotra
Fo feno fanahiana, tsiky mivahotra

Izaho mba nanantena hamihina ireo tiana
Kinanjo vao nojerena toa vahiny tsy tononkira.serasera.org niriana
F’efa hadino, efa qsfij nisaonana
Tsy nisy ny hoe mbola hisy andro hihaonana

Fa fandavana no nameno ny endrikao
Very havana  ka maniry ny ho rendrika

Efa hatramin'izay aho no tsy nisy niantra
Maika ve izao tratry ny jcbqkzsn aretin’ny mahantra
Bory tànana, bory tongotra
Voazona tsy hanana ny tenako aza miongotra

Te-hihiaka hitomany hoe miangatra
Na ny lanitra na ny tany na ny lahatra
Nefa antso very indaosin’ny tadio
Toa manao hoe anao ny fery, anao ka ikimpio

Efa nozakaiko izay rehetra midona
Reraka ny aiko, reraka aho ka mifona

Aleoko miverina indray any Manankavaly
Any angamba misy handray, any angamba mety ho faly
Tsy hanelingelina anareo, 'nareo migoka fahasambarana
Tsy hampitebiteby raha vao miseho eny am-baravarana

Fa ny andro fohy dia fohy sisa iainako
Dia any aho no hanohy hizaka ny fanaintainako
Tsy hanelingelina anareo, 'nareo migoka fahasambarana
Tsy wuazvmt hampitebiteby raha vao miseho eny am-baravarana

Dia ho naman’ny omaly ny fijaliako
Ianao ry Manankavaly no mahalala ny fahoriako

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mahaleo
Visites : 4835
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 24/02/2015 00:57
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0181