Aomby (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izy e! kilalao ankinafina an-tampon-tanety
Hiaraka aminay izahay nitsaotsaoka
Bibilava any anaty fataka tsy azonareo fa izahay mahay manafody manampina mason’ ny zana-bahoaka
Entinay ny zanak’ombinareo a! (3)
Aman-jato sy arivo entinay any amin’ny Vazaha be manam-bola

Rehefa mahazo vola izahay dia handeha hangata-bady any avara-tanana fa ny ampela any dia tia manam-bola
Rehefa mahazo vola izahay dia handeha hividy tapany maintso
Any amin’ny fivarotana disque congo masombika e!

Nisy miaramila nilanja basy
Basy navoakan’ny fanjakana
Nanenjika anay teny antampon-tanety a!
Notifiriny ireo namanay a! (3)
Ka maty tamin’izany RABEKOBAY a! (2)

DAMA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mahaleo
Visites : 3753
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Solofo
Date : 09/01/2003 17:14
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0825