Tantely (Lalatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ndreo fa miely vao maraina ny tantely
Tsy malaina amin'ny asa izay atao.
Azo heverina avy hatrany
fa manana antoka ny ho aviny
sy ny an'ny mpianakaviny.
sy ny an'ny mpianakaviny.
Hamamiana tsy miova no avelany ho lova

Ndreo fa miely vao maraina ny tantely
Tsy malaina amin'ny asa izay atao.
Azo heverina avy hatrany
fa manana antoka ny ho aviny
sy ny an'ny mpianakaviny,
sy ny an'ny mpianakaviny.
Hamamiana tsy miova no avelany ho lova

Tsirom-bony no alaina
Ka angoniny vao maraina
Fa lazaiko anao tsy mihambatra
Sambatra raha samy sambatra
Ny mandika mba ho modely
Ny fiainan'irony tantely,
Ny fiainan'irony tantely.
Maty ka mamela mamy ao anatin'ny akany.

Tsirom-bony no alaina
Ka angoniny vao maraina
Fa lazaiko anao tsy mihambatra
Sambatra raha samy sambatra
Ny mandika mba ho modely
Ny fiainan'irony tantely,
Ny fiainan'irony tantely.
Maty ka mamela mamy ao anatin'ny akany.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Lalatiana
Visites : 487
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 01/03/2023 22:19
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155