Tariho aho (Kanto ho Taratry ny Fiadanana na KTF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Tompo ô tariho aho, ho amin’ny lalanao izay safidiko,
    Ho tena fahendrena tokoa sy ho taratry ny tena fahadiovam-po
    Indro ankiniko ho tsimbininao ireo ahiahy
    Sy ny adintsaiko hatramin’izao, tsy handrendrika
    Ny fanahiko, tsy hahakivy fo fa hisehoan’ny herinao tokoa

   Fiv: Toroy aho tompo hahatsapa izay soa
          Tariho aho tsy ho diso hambompo
          Ka n’inoninona hitranga sy hanjo
          Dia efa ianao ihany no andry hiankinako
soeya        qmtico   Ampianaro ahy ny mihaino sy mankato
          Hanetry tena ka izay sitraka no ho tanjoko

2. Ray ô ampianaro aho, raha diso hiaiky
    Hifona ka hiova fo, hahay hanaja ny hafa sy hanao soa
    Tsy hirehareha ka hitaky na hiandry valisoa
    Ho mendrika ahy ilay tara-pahasoavanao
    Ireo tombon’andro izay mbola nomenao
    Koa inty aho iraho,Indro efa vonona aho ka hiainako izay vavaka hatao

  idyayalm   Fiv: Toroy aho tompo hahatsapa izay soa
          Tariho aho tsy ho diso hambompo
  tononkira.serasera.org          Ka n’inoninona hitranga sy hanjo
           Dia efa ianao ihany no andry hiankinako
           Ampianaro ahy ny mihaino sy mankato
           Hanetry tena ka izay sitraka no ho tanjoko

AC: Donat SAINDROTOKY
" Tariho aho" Tarika Kanto ho taratry ny fiadanana

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Kanto ho Taratry ny Fiadanana na KTF
Visites : 8
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Mharck
Date : 23/06/2026 14:49
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.027