1 Andro Tsy Hita Maso (John Oabmar)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hitety tany mbola tsy hitako aho
Hitaingina fiara-manidin'aho
Hanantona 'lay sipako any alavitr'any aho, aho, aho

Ho andramako avokoa ireo sakafo
Mba tiako hohanina hatrizay nefa lafo
Hijery 'zay mba tsy fahitako isan'andro aho, aho, aho

Robaiko ireo mpanao afera maloto
Dia ho zaraiko ho an'ireo tsy manana
Ho faiziko ireo tena jiolahim-boto
'Reo mpambotry firenena, 'reo mpangalatra
'Reo mpanimba firenena, mpampisaraka

Raha 1 andro tsy hita maso
Aho, aho
Raha 1 andro tsy hita maso
Aho, aho

Ho faiziko ny mpanao kolikoly
Tsy ataoko mahita ny volany 'tsony
Omeko ho an'ireo mila fitsaboana malaky fa marary mafy

Omeko kaly 'reo 'zay tsy ampy kaly
Ataoko 'zay ahafaly ireo mijaly
Hanararaotra hanao ny soa manodidina ahy aho, ahy aho, oh

Ihidirako ny lapam-panjakana
Ho alaiko feo 'zay resak'henoko ao oh
Dia ho aparitako eran'ny tanana
Mba hipotra avokoa 'zay nafenina
Na izaho, na ianao olombelona

Raha 1 andro tsy hita maso
Aho, aho
Raha 1 andro tsy hita maso
Aho, aho
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : John Oabmar
Visites : 2893
Préférés : 3 J'aime
Ajouté par : oabmar
Date : 16/12/2014 14:07
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124