Tsy misy ohatr'izany (John Oabmar)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hoy Ianao, Hoy Ianao hoe ahy Ianao
Niteny Ianao, Niteny Ianao hoe ahy, ahy Ianao
Ny fahatsoranao, ny fieritreritrao
Ny fomba fihaingonao sy fiomehezanao
Ny fijerinao sy ny fitsikinao
Sy 'zay momba anao

Faly aho fa eo Ianao
Faly aho manana anao
Faly aho fa mitsambikimbikina ny foko
Raha vao hitako Ianao
Ka ho ventesiko androany
Mba misy hohenoinao foana rehefa tsy eo aho
Tiako Ianao, tsy misy ohatr'izany

Hoy Ianao, Hoy Ianao hoe ahy daholo
Tazomiko ho ahy, tazomiko ho ahy iray manontolo
Ny fahatezeranao sy ny alahelonao,
Ny tantaranao, na tsara na tsy tsara
Ny hadisoanao, izay nanenenanao
Sy 'zay momba anao

Raha toy ny fitiavako anao
No ao am-pon'ny olona rehetra
Angamba tsy hisy fahoriana intsony eto an-tany
Ho sambatra tokoa...


Tonony sy feony : J-R.A (c) 2012
OMDA (c) 2014
--------
Rohy:
Hevitra
johnheritina ( 23/05/2016 12:32)
Zan ka tena kanto a msutr e
Tahiry2 ( 28/05/2016 19:33)
Mafnartra be daôl zan zvt itako ato zan.M'lay e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : John Oabmar
Vangy : 14373
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 01/10/2014 21:33
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123