You are here: home > Tononkira > John Oabmar

Ao anatinao (John Oabmar)

https://tononkira.serasera.org/hira/john-oabmar/ao-anatinao

Lazao azy fa vao manomboka ;
Lazao azy fa tsy ho tapitra ;
Lazao azy fa tsy hisy sakana
Tsy azo toherina
Raha toa ka tena vonona ;

Lazao azy fa mbola lavitra
Ny lalana mbola ho diavina ;
Asehoy azy ilay fitaratra,
Ilay fitarafana
Izay mamirapiratra ;

Raha toa ka miteny aminao izy ooo
Hoe tsy hitany intsony izay atao,
Dia izao no teny avalinao azy ooo
Hoe misy harena mbola miafina :

Ao anatinao
Efa misy izay ilainaTsiky dia ampy
Ao anatinao
Na ny herim-po na ny herin-tsaina
Ao anatinao
No miafina ny fahazavana
Ao anatinao, anatinao ;
Ao anatinao !

Lazao azy fa mila tsemboka ;
Lazao azy fa mila miezaka ;
Avieo atolory azy koa ny tananao,
Hoe 'ndao fa hiara-hisalahy izaho sy ianao.

Lazao azy fa misy kintana
Nomanina hitondra vintana ;
Kanefa na izany aza dia lazao
Hoe tsy misy afaka hikiry amin'ny toeranao.

Ao anatinao !

--
Tonony sy feony : John Oabmar
Mey 2015

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : John Oabmar
Mpamaky : 1335
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 06/05/2015 10:03:26
ID : 7442

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo