Jereo (John Oabmar)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mandohalika aho miondrika eto
Miandrandra ny any an-danitra any
Raha toa ianareo mbola maheno
Dia mila vonjy ny eto an-tany

Miha sarotra ny fiainana eto
Torovana ny aty ambany
Mba jereo fa marary
Mba jereo fa mijaly

Ny zavatra mitranga hatreto
Dia mampanongo tena ihany
Izay manana manefoefo
Izay kely kosa, kely hatrany

Leo tomany 'zahay ! Leo misento !
Mba asan-tananao ihany
Mba omeo tanana ary
Mba vonjeo fa mijaly

[x2]
Aza avela irery
Fa mila ny fanavotanao
Aza avela irery
Asehoy anay ny herinao
Aza omena tsiny
Fa miandry ny fitantananao

Mandohalika aho miondrika eto
Miandrandra ny any an-danitra any
Raha toa ianareo mbola maheno
Dia mila vonjy ny eto an-tany

Tonony sy feony : John Oabmar
OMDA - Marsa 2015
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : John Oabmar
Vangy : 4401
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : marinahandria
Daty : 15/03/2015 13:23
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121