Anjarako (Johane)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zay rehetra momba ahy, fo, saina, fanahy.
Fa babonao daholo anao manontolo.
Tsy ampy angamba ireo teny, lazaiko ombieny ombieny
‘lay fitiavako anao ao am-poko ao
Mino aho fa anjarako ianao, eny ianao

Averiko indray ho anao, ‘lay voady efa natao
Tsy amela anao irery aho raha mbola velon’aina
Ka aza miahiahy fa tenim-behivavy ny ahy
Ho porofoiko anao androany fa ianao irery ihany
Ianao ihany

Ka indro eto izaho sy ianao tonga olom-baovao
Vonon-kiatrik’izay ho avy na mbola mafy aza ny ady
Tsy ampy angamba ireo teny, ilazako ombieny ombieny
‘lay fitiavako anao ao am-poko ao
Mino aho fa anjarako ianao, eny ianao

Averiko indray ho anao, ‘lay voady efa natao
Tsy amela anao irery aho raha mbola velon’aina
Ka aza miahiahy fa tenim-behivavy ny ahy
Ho porofoiko anao androany fa ianao irery ihany

Averiko indray ho anao, ‘lay voady efa natao
Tsy amela anao irery aho raha mbola velon’aina
Ka aza miahiahy fa tenim-behivavy ny ahy
Ho porofoiko anao androany fa ianao irery ihany
Ianao ihany

Mino aho fa anjarako ianao, eny ianao…
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Johane
Visites : 1222
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : LurissAdr
Date : 14/02/2023 08:36
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733