Fikiro (Johane)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny tena tia am'izao efa vitsy
Ka raha manana ianao dia fikiro
Aza avela ho tapaka ny tady izay vao hanenina e
Mba diniho ny ho avy
Fa raha lasa izy tsy ho azonao intsony
Maro be ny te ho mpanjakan'ny fony

Ka miangavy anao raha mbola misy ny azo atao
Tiavo ilay nanaja anao fa io no anjaranao
Ka raha azo atao, karakarao izy dieny izao
Aza zatra an'ilay randram-bao, tazomy ny antananao.

Sao rahampitso vao hanenina
Hidradradradra hitomany
F'efa lasa izy ka any
Efa any ankafa any ho any
Sao lasa vao hitanisa
Sy hahatsiaro izay vita
F'efa eo mbola eo
Firiko mafy tsy ho leo

Raha izay adiady aza atao hahakivy
Aza baikon'ny fo mafana fa avy eo io tony ihany
Io no efa nekenao tsisy ny tonga lafatra
Ny faharatsiany itiavana azy dia izay ihany

Ka miangavy anao raha mbola misy ny azo atao
Tiavo ilay nanaja anao fa io no anjaranao
Ka raha azo atao, karakarao izy dieny izao
Aza zatra an'ilay randram-bao, tazomy ny antananao.

Sao rahampitso vao hanenina
Hidradradradra hitomany
F'efa lasa hifarana
Efa any ankafa any ho any
Sao lasa vao hitanisa
Sy hahatsiaro izay vita
F'efa eo mbola eo
Firiko mafy tsy ho leo

Sao rahampitso vao hanenina
Hidradradradra hitomany
F'efa lasa hifarana
Efa any ankafa any ho any
Sao lasa vao hitanisa
Sy hahatsiaro izay vita
F'efa eo mbola eo
Firiko mafy tsy ho leo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Johane
Vangy : 3231
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 21/05/2022 16:39
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117