Amin'ny fo (Johane)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Akipio ny masonao
Dia mba henoy izao lazaiko izao
Fa natao ho anao irery
Porofom-pitiavana
Raha heloka nitia anao
Efa tany am-ponja aho ohatrizao
Na tsiky na alahelo
Izaho tsy mahasaraka

Tsy hoe (tsy hoe)
Mahay miteny (mahay miteny)
Fa ilay fitia no namoaka ireny

Aza manahy raha toa ka hoe
Sendran'ny mafy sy ny sarotra
Izaho aty vonona ny tsy hivadika amin'ny toky nomena
Na faly na ory isika sy ianao
Sanatria izany raha hifandao
Androany miangavy aho mba lazao raha sitrakao
Ny halalin'ny fitiavanao
Ny fitiavanao (x4)

Dia izao, izaho tsy hangataka ny volana aminao
Fa ny tadiaviko dia izao
Hoe ilay fitiavanao
Ka aza manahy ianao
F'izaho tsy hivadika
Tsy mahasaraka anao, tsy mahafoy anao
Efa zatra loatra anao e

Aza manahy raha toa ka hoe
Sendran'ny mafy sy ny sarotra
Izaho aty vonona ny tsy hivadika amin'ny toky nomena
Na faly na ory isika sy ianao
Sanatria izany raha hifandao
Androany miangavy aho mba lazao raha sitrakao
Ny halalin'ny fitiavanao
Ny fitiavanao (x4)

Aza manahy raha toa ka hoe
Sendran'ny mafy sy ny sarotra
Izaho aty vonona ny tsy hivadika amin'ny toky nomena
Na faly na ory isika sy ianao
Sanatria izany raha hifandao
Androany miangavy aho mba lazao raha sitrakao
Ny halalin'ny fitiavanao
Ny fitiavanao (x4)

Aza manahy raha toa ka hoe
Sendran'ny mafy sy ny sarotra
Izaho aty vonona ny tsy hivadika amin'ny toky nomena
Na faly na ory isika sy ianao
Sanatria izany raha hifandao
Androany miangavy aho mba lazao raha sitrakao
Ny halalin'ny fitiavanao

Akipio ny masonao
Dia mba henoy izao lazaiko izao
Fa natao ho anao irery
Porofom-pitiavana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Johane
Vangy : 2166
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Nohisoa
Daty : 20/05/2022 16:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113