Tsy mahasaraka anao (ft. Skaiz) (Johane)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa zatra nisy anao
ka nanjary nangina irery
mba miangavy raha azo atao
miverena aza avela ho very

(skaiz)
Nijanona niodina mihitsy ny tany vao naharay ilay hafatra omaly
ny foko nidoboka mafy tsy nahatsiaro tena nandraiky narary
saika tsy nino aho fa ny saiko nandà
lazaiko fa nofy fa kay tena izy ilay tapitra eto ny tantaratsika sy ialahy
nanontany tena aho hoe inona ny antony, nisy ratsy nataoko ve?
fa eto aho ifona aminao raha mba mety f'efa tapi-dalan-kaleha
aiza ho aiza amin'izao ilay fitiavana feno hamamiana niarahana niaina
tsisy fampitandremana akory fa ianao manapaka izaho miala maina
tsy zaka, fa mavesatra loatra aminah ilay tsika ifandao
sarotra be ny anadino anao, tsy eken'ny foko ilay ndeha hamadika pejy vaovao
asa enao raha mahare ny antsoantsoko aty ry malala
mba miangavy farany aza atositosika fa tena mila ho lasa adala.

REF :
Efa zatra nisy anao
ka nanjary nangina irery
mba miangavy raha azo atao
miverena aza avela ho very

fa sarotra amiko no anadino ireo lasa
tsy tantiko ny ahitanao eny an-kafa
tsy mahasaraka anao, fa anaraka anao
dia fitia vaovao no omeko anao

Efa lany aminao ny fitiavako, tsisy ambiny tsisy tavela
ny asolo ny toeranao aloha tsisy intsony raha izany fa mba miverena
ny aty mbola tia aza ilaozana fa tsy mahatokana toy ny kamboty
ilay voankazo niaraha-namboly aza avela ho lo 'ndao iarahana mioty

Fa tondrahana haniry fitiavana toy ny taloha na dia nisy aza ny ady
vao may aza ireny namatotra antsika tsy natao hatapaka tady
nanamafy ilay voady, hoe tsy isaraka intsony izahay mandrakizay
raha nisy hadisona nataoko tsy amerina intsony fa izao aho izao fay

alaelo no mameno ny andro fa nilaozana zany olotiana
tsisy intsony ny anjara masoandro andro maloka feno akiviana
tsy mahavita mamindra fa mora mianjera ny tenako avia mba tantano
tsy mahinana intsony aho na iray sotro kely malala fa avy mba fahano.

REF :
Efa zatra nisy anao
ka nanjary nangina irery
mba miangavy raha azo atao
miverena aza avela ho very
fa sarotra amiko no anadino ireo lasa
tsy tantiko ny ahita anao eny an-kafa
tsy mahasaraka anao, fa anaraka anao
dia fitia vaovao no omeko anao

tsy mahasaraka anao
tsy mahasaraka anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Johane
Vangy : 2599
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 19/01/2020 15:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725