Toa azy (feat Titiana) (Jim praise)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho mila anao Ray ka hanadra-peo
Dia hiantso anao indray izaho tsy ho leo
Raha sendra irery aho dia eo ianao
Dia hitarainako raha sendra lavo aho.

Fa tsy hijanona aho ny hiantso anao
Sarotra ny làlako mitady hampihemotra ahy
Ny tànanao ihany fikiriko mafy
Hampijoro hampahery ahy indray
Hanohy ny diako.

Ny teninao ihany no fiainako
Ny herinao Tompo ô no hiankinako
Ny làlanao koa no hizorako
Ny fiainanao rehetra no tahafiko.

Fa tsy hijanona aho ny hiantso anao
Sarotra ny làlako mitady hampihemotra ahy
Ny tànanao ihany fikiriko mafy
Hampijoro hampahery ahy indray
Hanohy ny diako.
Oh ôô ôh ô!


Fa tsy hijanona aho ny hiantso anao
Sarotra ny làlako mitady hampihemotra ahy
Ny tànanao ihany fikiriko mafy
Hampijoro hampahery ahy indray
Hanohy ny diako.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Jim praise
Visites : 1974
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : christophe17
Date : 29/04/2019 10:52
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727