Iny izy (Jim praise)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandinika ny lasany izy
Be dia be ireo zavatra tsy nety nataony
Nijery ny androaniny izy
Tapa-kevitra fa hanantona Anao.

Mibanjina ny hoaviny izy
Tora-kovitra fa lavitra Anao
Hiandrandra ny lanitra izy
Latsa-tomany, ka menatra Anao.
(X2)

Iny izy, raiso izy
Hanantona Anao
Iny izy, tamy izy
Hanaraka Anao.

Fiainanay raolombelona mantsy!
Tsy mahalala ny Ray raha tsy efa misy manjo
'Reo fifaliana tsy mba niantso Anao!
Fa ny ratsy rehetra nandramana avokoa.

Voadona mihatra aman'aina mipopopo lany hevitra vao,
Mahatsiaro ilay Ray Tsitoha
Soa fa Tompo misaina ny an-tsika tia mandefitra,
No sady be indrafo.

Ankehitriny nefy izy Ray ôh!
Hanantona Anao no mba irin'ny fony
Hitondra eo am-pelatananao,
Ny hafaliana rehetra, ny alahelo tsy tony.

Chœur:
Miaiky izy fa Ianao irery!
(No afaka hanome fifaliana)
Ilay diam-pantsika lasa fery!
(No nanafoana ny fijaliany)

*Iny izy, raiso izy
(Hanantona Anao)
Iny izy, tamy izy
(Hanaraka Anao)
(X2)

....

*Iny izy, raiso izy
Hanantona Anao
Iny izy, tamy izy
Hanaraka Anao
(X2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jim praise
Vangy : 142
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 27/12/2024 18:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.34