Tsy ho nofy (Jim praise)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ho nofy
Lavitra anao aho mahatsiaro manirery
Matahotra aho satria tsy te ho very
Ianao ilay Ray, tsy nahafoy anay hatrizay
Eny ireo ditra natao, izay mba fanao
Tsy noraisinao fa fiainam-baovao
Hiderako Anao sy hiantsoko Anao ka hanompo aho

Ref :
Fantatro izay rehetra mahafapo
Fa hafa ianao ry Ray
Angamba tsy ho nofy ihany izany
Fantatro izay rehetra mahafapo
Fa hafa ianao ry Ray
Antenaiko fa tsy ho ahy irery Ianao

Ianao ilay Ray tsy nahafoy anay
Ka hijery hatrany, ny dianay
Ianao irery ihany no fanantenana
Ka hanampy hatrany
Fantatray fa Ianao tsy nisalasala
Nitarika anay hahazo fahalalana
Ianao irery ihany no afaka hanampy
Sy hitondra anay

Ref : ……………

Jim Praise
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jim praise
Vangy : 1435
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nally1
Daty : 30/05/2015 09:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1364