Ho inona (Jim praise)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa hatrin'ny ela no tsapako Ray ô!
Fa notantananao ny fiainako
Narovanao aho, navotanao aho
Na dia mpanota tsy mba mendrika aho.

Notoloranao
Ny fitiavanao
Notehirizinao aho
Hialoka eo ambany elatrao.

Ref:
Ho inona moa no hiafarako
Raha tafasaraka aminao
Iza intsony no antenanaiko
Sy hitarainako.
Fa ny eo anilanao
No mahatsara ahy
Andry hiankinako
Mandrak'izay.
Fa ny eo an-tratranao
Fahasambarako
Meteza ianao
Ray ô! Tano aho anao.

....................

Fa mbola lavitra mantsy izany dia
Tariho làlana aho mba tsy hania
Kamboty aho Ray ô! mahantra aho Ray ô!
Ianao no toky fianteherako.

Ilay mpanafaka ahy
Sy mpanavotra ahy
Raha sendra lavo eny aho
Ianao mbola hampiarina ahy.

Ref:
Ho inona moa no hiafarako
Raha tafasaraka aminao
Iza intsony no antenanaiko
Sy hitarainako.
Fa ny eo anilanao
No mahatsara ahy
Andry hiankinako
Mandrak'izay.
Fa ny eo an-tratranao
Fahasambarako
Meteza ianao
Ray ô! Tano aho anao. (X2)

Meteza ianao
Ray ô! Tano aho anao... (X2)


A/C: Rojo (Ny Avo)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jim praise
Vangy : 716
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 06/04/2020 11:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0771