Mahareta (Hanitr'i Kristy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maizina ve zany lalana hombana
Fa nidify teo lay hazavana
Ka mahatsiaro very sady reraka sy Hana
Toa tsy misy intsony fanantenana

O! Mitrakà ka jereo iny lanitra iny
Ao Ilay Mpamonjy mahita izay mahazo anao
Ka na Sarotra aza izao lalana izao
Dia matokia fa Izy tsy hanary anao

O Mahareta ianao tohizo hatrany izao dianao izao
Fa ao ambadika ao ilay Kanana efa miandry anao
Ka na dia toa mafy loatra
Dia aoka ianao haharitra
F'ireny anie dia manamboatra anao handova lanitra

Aza manahy mandrosoa hatrany hatrany
Esory ao antsaina ny hoe hiverin-dalana
Dia fikiro mafy ireo teny fikasany
Fa ny adinao tsy hoela dia hifarana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Hanitr'i Kristy
Visites : 1564
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Zoumiel
Date : 17/06/2018 17:24
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721