Ny fisarahana (Hanitr'i Kristy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isika raha mbola eto an-tany
Tsy maintsy misy hatrany fisarahana
Fa efa nolovana hatrany am-piandohana ka tsy azontsika ialana
Mamy dia mamy ny fiarahana
Fa ny hiafarany dia fisarahana
Dia izany foana ny manjo
Nefa atao ahoana moa.

Ranomaso be dia be no efa nitete
Napatrapatraky ny fisarahana
Nefa tsy hita isa akory
Ireo naratra am-po
Voadona mafy ka tsy laitra nositranina
Eny fa na dia itsika rehetra izao anie
Dia miandry fotsiny ny fisarahana
Fiainantsika nefa izany
Raha mbola eto an-tany mampitomany

Raha toa ianao ka vonton'alahelo
Am-po mamolovelo fa hisaraka
Banjino ny ambony fa tsy ho ela intsony isika dia hiakatra
Ho avy ny andro ihaontsika rehetra izao
Sy ireo havana efa lasana nandao
Dia hiaraka hiriaria ho mandrakizay doria

Any isika dia hiara-monina tokoa
Hiaraka amin'ilay Tompo Ray tsitoha
Tsy hisy intsony ny toreo fa tapitra hatreo
Ny hasomparana nataon'ny fisarahana
Ka na dia malahelo aza isika anio
Dia izao no ataovy antsaina ary tadidio
Tsy maintsy mbola hifarana ny fisarahana
Rehefa any an-danitra
Tsy maintsy mbola hifarana ny fisarahana
Rehefa any an-danitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hanitr'i Kristy
Vangy : 1203
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 18/04/2021 22:07
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123