Mihobia (Groupe Hiakan'ny Avo Mpandresy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mihobia, ary koa mifalia
Fa anio ilay androm-pamonjena
Ho antsika ety
Hasandrato, ny hira hanakohako
Ho ren’ity firenena
Fa mila famonjena a !

Refrain :
Dera, ô dera a !
Hirao sy ankalazao, ny Mpanjakanao
Saotra a ! ô misaotra a !
Omeo voninahitra a
Ilay Andriamanitra

Mihomana, dia misy ny fotoana
Homeny Tompo anao ety an-tany ety
Aza manjeny hoe andro lava foana
Ka mba tsy hanenenao,
Dia hovay re ny fanao

Refrain :
Dera, ô dera a !
Hirao sy ankalazao, ny Mpanjakanao
Saotra a ! ô misaotra a !
Omeo voninahitra a
Ilay Andriamanitra

Mifamela raha misy ny heloka
Izay vitanao, tamin’ireo namanao
Koa atolory ho an’i Tompo ny adinao
Fa izy hanafaka, ny fatoranao

Refrain :
Dera, ô dera a !
Hirao sy ankalazao, ny Mpanjakanao
Saotra a ! ô misaotra a !
Omeo voninahitra a
Ilay Andriamanitra
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Groupe Hiakan'ny Avo Mpandresy
Visites : 15
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Rado1349
Date : 28/04/2026 17:12
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1274