Hosana (GrAS (Groupe Artistique Sunlight Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eny lehiresty fa marina izany
Jesosy Kristy irery ihany
No ‘ndeha hoderaintsika hatrany hatrany
Satria Izy namonjy antsika
Teo ambonin’ilay hazo fijaliana
Koa amin'ny  fahavelomantsika izao
Ndeha hiara hidera izaho sy hianao
Hanandratr’ilay hiakam-pihobiana hoe Hosana amin'ny Avo indrindra


Koa araraoty izao andro anio izao
Hifalifaly hihira sy handihy
Hidera an’Ilay Jesoa be fitia
Satria fiainam-baovao
Famindram-po nomeny ho ahy sy ho anao
Koa amin'ny  fahavelomantsika izao
Ndeha hiara hidera izaho sy hianao
Hanandratr’ilay hiakam-pihobiana hoe Hosana amin'ny  Avo indrindra



Hoooosana, Hoooosana
Hoooosana, amin’ny Avo indrindra
Hoooosana, hoooosana
Hanandratr’ilay hiakam-pihobiana hoe Hosana amin'ny  Avo indrindra
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : GrAS (Groupe Artistique Sunlight Mahajanga)
Visites : 288
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : AlphaTokiniaina
Date : 02/10/2023 19:46
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8959