Vavakay (GrAS (Groupe Artistique Sunlight Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mivavaka izahay ho an'ireo tanora namanay
'Zay mbola variana, sy tena sondriana
amin'ny rendrarendran'izao tontolo izao
Mamelà ny helony Tompo ô! Raha sitrakao
Ny Fanahinao Masina no hitarika azy ireo
Hiverin ao ambalanao



Ny FAMINDRAMPONAO,
Zay tsy manampetra, Fa ho anay rehetra
Zay naha toy izao anay ry Tompo
Mba omeo azy hiatrehany ny ho avy
Izany no vavakay
Asandratray ho Anao ry Ray


Mivavaka izahay ho an'ireo Vahoaka maro be
Anatin'ny fiafiana, anatin'ny tsy fisiana
Tsy hitany intsony izay atao, tsy hitany izay haleha
Ianao ilay be Fahasoavana, 'zay niahy anay hatramin'izay
No mbola angatahinay, sy italahoanay
Mba hitsinjo azy ireo mandrakizay


Ny FAHASOAVANAO,
Zay tsy manampetra, Fa ho anay rehetra
Zay naha toy izao anay ry Tompo
Mba omeo azy hiatrehany ny ho avy
Izany no vavakay
Asandratray ho Anao ry Ray


Mivavaka izahay ho an'ireo izay itorianay ny anaranao
Mba hanaiky Anao sy hiverina aminao ka,
Hitandrina ireo Didy sy hanaja ny Teninao
Arovy izy ireo tsy hiala intsony, fa hifikitra aminao
Arovy amin'ny fakampanahy, amin'ny fandrikin'ny satàna
Aoreno re ny finoany mba tsy hiala aminao intsony



Ny FIAROVANAO,
Zay tsy manampetra, Fa ho anay rehetra
Zay naha toy izao anay ry Tompo
Mba omeo azy hiatrehany ny ho avy
Izany no vavakay
Asandratray ho Anao ry Ray


Ray, Ray, Ray, Zany no Vavakay
Ray, Ray, Ray.
Anao ny Fanjakana sy ny Hery ary Voninahitra Mandrakizay
Amen!!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GrAS (Groupe Artistique Sunlight Mahajanga)
Vangy : 159
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : AlphaTokiniaina
Daty : 02/10/2023 19:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0839