Matokia (Feon'ny Fiderana Apu Ambatomaro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na mandalo ady sarotra eny ianao
Mafy koa ny sedra izay lalovanao
Matokia fa ny Tompo tsy mandao
Na hahafoy anao amin'ny adinao
F'Izy Tompo manome ny toky ho anao
Ny amin'izay mafy mety ho sedrainao
Mahereza mitrakà hatrany hatrany
Fa izay no fiainana an-tany

Ref: Ento eo Aminy ny enta-mavesatrao,
        f'Izy hanamaivana anao
       K' Aza mba misalasala mivonona ianao
       Handray Azy ho Tompo sy Mpamonjinao
       Sokafy ho Azy ny varavaran'ny fonao
       Fa ho hitanao ny voninahiny

Mety ho kivy na ho ketraka ianao
Ny amin'izay mafy mety ho sedrainao
Ny mamoy fo fadio, tsy azo atao
Ndrao ho neninao ao am-parany ao
Mitodia amin'ilay Mpamonjy anao
F'Izy ihany re no vahaolana
Matokia fa ny Tompo miandry anao
Miandry anao hanokatra ny fonao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Feon'ny Fiderana Apu Ambatomaro
Visites : 53
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Yohannes
Date : 08/04/2025 12:10
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0819