Famonjena (Feon-Dokanga Fihobiana (FDF))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/
Ny Famonjena izay nataoNao
No nihazona izao tontolo izao
Raha tsy nanaiky Ianao angamba
Tsy nisy intsony izao hary izao

Jesosy ô! Tsy nafoiNao
Jesosy ô! Mbola tiaNao

ref...
Tsy navelaNao ho very satria
Teo amban-dRay no lasa nania
Jesosy ô! TiaNao izahay ka naleoNao latsa-drà
Raha ny ota sy ny ditra natao
Helo afo no sahaza ho anay
Jesosy ô! Famindram-po no nataoNao ho anay

2/
Ireo izay nataonay hatramin'izay
Dia maro ireo tsy neken'i Ray
Izay niainanay toa tsara sy soa
Matetika toa ratsy avokoa

Jesosy ô! Tsy nafoiNao
Jesosy ô! Mbola tianao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Feon-Dokanga Fihobiana (FDF)
Visites : 23
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Agnakol
Date : 09/02/2026 13:28
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0209