NA DIA MBOLA MPINAMANA (BITAKA (BIka sy TArehin-java-KAnto))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NA DIA MBOLA MPINAMANA Tsy mety afaka an-tsaiko
Ny sarin’ilay endrikao
(feon-kira kely)
Tsara sarotra hadinoina
Ianao foana re no tsaroana
Na lavitra aza anie
Ny elanelan-tany
Ny fitiavako anao
Fitia tsy mety lany
Na sarotra ihany koa
Ny ady zay atao
Ny fitiavako anao
Fitia tsy kilalao
Ny nofy mamiko hatramin’ny ela
Ny hitoetra eo anilanao
Faniriko hatrizay ela izay
(feon-kira kely)
Tsy nanenenako izay rehetra lasa
Raha ny fiarahana hatramin’izay
Na dia mbola mpinaman’isika
Improve
Tsapako anatin’ny foko
Fa mitempo fitia aminao
(feon-kirakely)
Mivezivezy ny saina
Velon-tsento ary koa mitaraina
Mila tsy andriko ny andro maraina
Na diavolana aza
Tsy eo anilanao
Haizina foana re
No ao am-poko ao
Nefa na oram-baratr’aza
Ka eo akaikinao
Dia toy ny lohataona
Feno hafaliam-be
Ny nofy mamiko hatramin’ny ela
Ny hitoetra eo anilanao
Faniriko hatrizay ela izay
(feon-kira kely)
Tsy nanenenako izay rehetra lasa
Raha ny fiarahana hatramin’izay
Na dia mbola mpinamana isika
BITAKA
BIka sy TArehin-java-KAnto
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : BITAKA (BIka sy TArehin-java-KAnto)Visites : 1938
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Malalason
Date : 11/08/2008 15:48