INY AHO NO LASA... (BITAKA (BIka sy TArehin-java-KAnto))

INY AHO NO LASA
Iny aho no lasa dia iny aho tsy hita
Raha toa ka tsy mety aminao
Fafako daholo ny zavatra vita
Iniako soloina vaovao  eh!
Koa mandehana f’ izaho tsy mitana
Ary tsy afaka hiazona anao.

Ny lalanao zorina f’aza miherika intsony
Fa raha ianao tsy hahazo ny lanitra ambony
’Zay voro-manidina tsy azoko alaina rony
Mahazo mifidy ‘zay tena mba mamin’ny fony
Mahazo mifidy ‘zay tena mba mamin’ny fony

Aleoko miaina amin’ny fiainana tsotra
Milamina tsara toy izao
Toy izay fiainana tsisy fitiavana fa
RendrarendraTsiky dia ampyn’izao rehetra ‘zao  eh!
Koa mandehana f’izaho tsy mitana
Ary tsy afaka hiazona anao

Ny lalanao zorina f’aza miherik’intsony
Fa raha ianao tsy ahazo ny lanitra ambony ii
Zay voro-manidina tsy azoko alaina rony
Mahazo mifidy ‘zay tena mba mamin’ny fony
Mahazo mifidy ‘zay tena mba mamin’ny fony

Improve  +++++++++++++

Iny aho no lasa dia iny aho tsy hita
Raha toa ka tsy mety aminao
Fafako daholo ny zavatra vita
Iniako soloina vaovao  eh!
Koa mandehana f’ izaho tsy mitana
Ary tsy afaka hiazona anao.

BITAKA
BIka sy TArehin-java-KAnto

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : BITAKA (BIka sy TArehin-java-KAnto)
Mpamaky : 1264
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Malalason
Tamin'ny : 11/08/2008 15:40:30
ID : 5327

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo