MALAI-MISARAKA (BITAKA (BIka sy TArehin-java-KAnto))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tamin’alahelo tokoa no nisarahana
Tamin’ny tapaka sy namana tao an-tanana
Indrindra teo amin’ny ora farany
Niaingan’ny fiaran-dalana
Mamy tokoa raha ny fiarahana
Nirina mba hitohy
Nirina mba haharitra, nefa tsy maintsy
Nofaranana

’Zany no fiainana, tena mahafinaritra e
Voatery nofaranana, fa hisaraka e.

Mbola ho avy aho nama a !
Ilazao ireo akama
Ho avy hamerina indray
Ny fiarahantsika hatrizay
Mbola ho avy aho re e !
Any volan’any taona
Ho avy eto an-tanana
Hiara-paly sy hikorana

Ranomaso latsaka teo ampisarahana
No nandaozako ilay malalako
Atao ahoana moa fa tsy maintsy mifandao
Na samy tia …
Izaho no lasana any lavitra,
f’ianao no aty

’Zany no fiainana e , lalana tsy maintsy aleha
Aza kivy foana akia, f’izaho mbola tia

Mbola ho avy aho ry tiana
Matokia fa mbola hihaona
Ho avy hamerina indray
Ny fiarahantsika hatrizay
Mbola ho avy aho re e !
Any volan’any taona
Ho eto an-tanana a !
Hiara-paly sy hikorana

BITAKA
BIka sy TArehin-java-KAnto
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BITAKA (BIka sy TArehin-java-KAnto)
Vangy : 1884
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Malalason
Daty : 11/08/2008 15:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732