Tsy Mendrika aho (misy tonony) (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô! Tsy mendrika hidiranao
Ato anatiko aho
Fa manonona teny iray ihany
Dia ho sitrana aho
(Manonona teny iray ihany ) in-3

Maizin-kitroka ny lalana diaviko
Indrisy mantsy
Rako-tahotra sy tebiteby lava,
Mandry an-driran’antsy
Tsy mba isan’ny ireo vonon-kasoavina aho
Fa olon-doza
Zatra loatra ny lalan-dririnina sy lalam-poza
  
Fa tsy mendrika aho, tsy mendrika aho
Eny tsy mendrika aho
Tena tsy mendrika, eny, tsy mendrika
Tena tsy mendrika aho
Fa noraisinao Tompo ô! Ny tanako
Avia hoy Ianao
Fa notiavinao aho Ray ô! Notiavinao aho!

Raha nahita izany tananao nitsotra aho
Tsy niantsampy
Nanararaotra mba nitady fiherena
Toa vatolampy
Fa manoatra noho ireo olom-boahozona aho
Mamato-tena
Toa feno toky fa efa mahavita tena
Ka tsy mila famonjena, mampahonena

                     A/C: Ni RANOELISON
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Visites : 13
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : 586b
Date : 25/02/2026 10:33
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0387