MANIRAKA ANAREO AHO (Re) (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Maniraka anareo aho : tonga ity ny fotoana
Mitsangana ka mandehana !
Ny vokatra maro ô! Fa ny mpijinja no vitsy e!
Angataho àry ny Tompom-bokatra
Haniraka mpiasa amin’ny sahany

Mitsangana e! Mirosoa amin’ny lalina hatrany!
Alatsaho àry ny haratonareo, hahazoana hazandrano

Sikino ny lamba, fehezo ny kappa
Aza be ahiahy fa ny Tompo no hiahy sy hanampy anareo
Tafio ny fitiavana, iakanjoy ny finoana
Mahereza re Razandry, mahereza re Razoky

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1007